<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>R. Rafihavanana</author>
<lyrics>[V1]
 Ry fanahy mangetaheta,
 Mila fitsaharana ;
 Aza kivy, mahareta,
 Sentonao hifarana !
 Fa ny tenin'i Jehovah,
 Soa mangarangarana ;
 Loharano tsy miova,
 Ao no hasambarana.

[V2]
 Ry tontolo mila vonjy,
 Te ho afa-patotra,
 Ao ny tenin'ny Mpamonjy
 Dia Kristy Mpanavotra !
 Teny velona sy mamy,
 Feno fananarana ;
 Hotorina eran-tany
 Fa fampihavanana.

[V3]
 Ry Mpanjakan'ny mpanjaka,
 Ao, tendreo ny lelako
 Mba hitory sy hizaka,
 Hampandre ny havako,
 Dia tahio ny Teny reny
 Tsy ho very hasina,
 Ka hamoy zato heny
 Ny Baiboly masina.</lyrics>
<title>Ry fanahy mangetaheta FFPM213</title>
<hymn_number>213</hymn_number>
</song>